• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cpgu
Image
Vaovao

Asa sosialy CPGU : Tokantrano hatramin’ny 600 nisitraka fanampiana tany Atsimo Atsinanana

16/07/2024 12:20 © Moov

Ny sabotsy, alahady, alatsinainy lasa teo no nitohy ny fizarana fanampiana ho an’ireo mponina izay mbola mila izany any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy. Hanam-pamokarana sy tohana ara-tsakafo no natolotra azy ireo tamin’izany. Izany no natao hahafahan’izy ireo mihoatra indray noho ireny loza voajanahary ny taona 2022 sy 2023 teo.

Tokantrano maherin’ny 560

Ireo mponina tao amin’ny Distrikan’ny Vondrozo, tao amin’ny Kaominina Vohimary no nanombohana izany ny asabotsy 13 jolay lasa teo. Nisitraka tohana ara-tsakafo 19 taonina sy hanapamokarana 28 taonina ny mponina tao. Nitohy izany asa sosialy izany ny alahady teo, tao amin’ny Kaominina Manambidala. Tokantrano miisa 560 ihany koa no nisitraka tohana ara-tsakafo 19 taonina sy hanam-pamokarana 28 taonina tao amin’io toerana iray io. Ny alatsinainy 15 jolay, nitohy hatrany ny fizarana nataon’ny ekipan’i CPGU niarahana tamin’ireo manampahefana tany antoerana ka ny kaominina Andoharano indray no nisitraka izany. Fokontany miisa 8 mandrafitra io kaominina io no nisitraka anam-pamokarana 20,8 taonina ary koba 1,12 taonina. Natao indrindra izany ho fanohizana sy fanamafisana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny lafiny aratsosialy ho an’ireo mponina izay mbola mila fanampiana amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny nosy.

Avy amin’ny fiantohana ARC

Marihina fa efa tafiditra mpikambana ao anatin’ny fiantohana ARC na African Risk Capacity i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tontosa izany fizarana fanampiana izany noho ny famatsiam-bola azo avy amin’ity fiantohana ity. Raha tsiahivina, ny tokantrano tsirairay dia nahazo vary 25kg, koba 2kg, siramamy 1kg, menaka 1L ary tsaramaso 5kg. Raha mahakasika ny hanampamokarana koasa dia masom-boly vary 5kg, masom-boly katsaka 5kg, masom-boly tsaramaso 5kg, zezika NPK 25kg ary zezika urée 10kg no azon’ny tokantrano tsirairay. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanamafisana ny fahafamiatriky ny mponina amin’ny rivodoza sy ny tondra-drano. Natao ihany koa ho fitsinjovana ireo mponina ny amin’ny fihavian’ny maitso ahitra ireo fizarana izao. Marihinina ihany koa fa fanampiny tamin’ny tohana ara-tsakafo nozaraina tamin’ny fandalovan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta tamin’ny volana aprily lasa teo izao fizarana izao.

Lire la suite

Articles Similaires