• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Famatsiana jiro sy rano : « Hatao mahatsapa fiovana ny mpanjifa », hoy ny JIRAMA

16/07/2024 08:35 © Moov.Mg

Telo andro lasa izay no nilazan’ny teo anivon’ny orinasa JIRAMA fa efa tonga ireo kamiao mpitatitra solika mavesatra avy any Toamasina, hampihodinana ireo milina mpihary herinaratra. Hatreto anefa aloha dia mbola toerana maro no ahitana tsy fahatomombanana amin’izany famatsiana herinaratra izany. Tahaka izany koa ny famatsian-drano, na dia manamafy aza ny JIRAMA fa efa manao ny ezaka rehetra.

Tsy manam-paharetana

« Hatao mahatsapa fiovana ny mpanjifa ». Io no lohateny nomen’ny JIRAMA ny filazana navoakany, raha nitanisa ireo fanatsarana notanterahin’ny orinasa tato ho ato. Araka ny voalaza ao dia mahatsapa ny olana sedrain’ny vahoaka amin’ny tsy fahazoana ny tolotra tokony sitrahiny ny mpitantana ny orinasa JIRAMA, ka hanao ny ezaka rehetra amin’ny famahana ny olana faran’izay haingana. Nomarihin’ny JIRAMA anefa fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy izany fanarenana izany. Saingy efa nitarazoka hatry ny ela ity olan’ny famatsiana jiro sy rano eto amintsika ity, ka efa tsy manam-paharetana intsony ny mpanjifa, anton’ireny fihetsiketsehana an-dalambe nitranga tetsy sy teroa ireny. Raha ireo solika nambara fa efa tonga tamin’ny herinandro lasa izao, dia tsy mbola mahavaly ny filàna rehetra noho ny tsy fahampian'ireo kamiao mpitatitra, araka ny nambaran’ny JIRAMA hatrany, ka antony mbola mampisy ny fahatapahan-jiro mifandimby.

Fampidirana jiro sy rano

Nilaza moa ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety farany teo, fa efa manomboka avokoa ireo asa fanatsarana rehetra, na ny momba ny herinaratra na ny momba ny rano. Ho fanamarinana ny ezaka efa ataony, dia nilaza ny JIRAMA fa nandritra izay roa volana izay dia misy ireo faritra tsy nisitraka rano teo aloha, saingy efa mahazo izany amin’izao fotoana izao, na dia tsy mbola tsy an-kiato aza ny famatsiana. Misy koa ireo mpanjifa tsy nisitraka herinaratra, noho ny fahasimbana kaontera na halatra tariby, saingy efa mivaha ny olan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Raha ity filazana vao navoakan’ny JIRAMA ity, dia hifantoka kokoa amin’ny famaliana ireo fangatahana fampidiran-jiro sy rano indray ny asa hotanterahina ato ho ato, mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Ka dia miandry ny tena hahatsapana ireo fiovana ampanantenain’ny JIRAMA ny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires