• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Nationale

Téléphérique : Nahomby ny andrana fitaterana olona

21/06/2024 14:00 © Moov

Tontosa androany 21 jona maraina ny andrana nitaterana olona voalohany amin'ny fitaterana an-tariby, mampitohy an'Anosy sy Soarano.

Fitaterana avolenta sy azo antoka

Ny filoham-pirenena, ireo mpikambana ao amin'ny governemanta, ireo parlemantera ary ireo mpanao gazety no nisantatra ny fitaterana an-tariby. Nanotrona ihany koa ny Ambasadaoron'i Frantsa eto Madagasikara sy ny governoran'Analamanga. Koa satria 700 kilao no zakan'ny cabine iray, olona 8 no niara-niditra. 3 minitra sy 15 segondra no faharetan'ny fikisahana miainga eo Anosy mankeny Soarano, na Soarano mankeny Anosy. Tsy nisy olana mihitsy nandritra ny dia, ary tsy nisy fanina na nanana olana manokana ireo mpandeha.
Fivoarana lehibe ho an'Antananarivo izao ezaka vita izao, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Maherin'ny 3 000 000 mantsy izao ny mponina eto an-drenivohitra, ka izany indrindra no mahatonga ny mpianatra sy mpiasa maro sahirana amin'ny fisifihana "bus" isan'andro, indrindra ny hariva. Napetraka izao fitaterana vaovao izao mba hitsinjovana ireo "classe moyenne" izay tsy mahatakatra "taxi". Azo heverina fa ho afa-pahasahiranana ireo olona sahirana miandry bus nefa tsy mety tafiditra, indrindra ireo vehivavy bevohoka, mitaiza kely sy beantitra.

Fitaterana hiasa tsy ho ela

Vita izay ny andrana teknika rehetra, ka miditra amin'ny pitsopitson'ny fanomanana ny fanokafana ny fitaterana amin'izay ireo tompon'andraikitra. Efa miandry ireo izay namaly ny antso amin'ny fitantanana izany fitaterana izany ny SENVH. Ho ampitaina miandalana araka izany ny fanombohan'ny fivarotana tapakila sy ny fitaterana ny besinimaro. Tanora maro ihany koa no hahazo asa amin'izao tetik'asa izao.
Tsara ny manamarika fa manaraka ny fenitra rehetra ny fitaovana ampiasaina, ka azo antoka tsara ny fitaterana. Atao isan'andro ihany koa ny fitsirihana mba hisorohana ny loza. Ampahatsiahivina hatrany fa tsy miankina amin'ny herinaratry ny JIRAMA ny téléphérique, ka tsy ahiana mihitsy ny hampijanona tampoka ireo cabines eny ambony eny noho ny fahatapahan-jiro.

Lire la suite

Articles Similaires