• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Nationale

Madagasikara – La Réunion : Nohamafisina ny fiaraha-miasa

22/06/2023 23:00 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy La Réunion.

Tonga nitsidika ny ministry ny Raharaham-bahiny malagasy tetsy Anosy, Yvette Sylla, androany ny delegasiona avy amin’ny Nosy La Réunion izay notarihan’i Huguette Bello, Talen’ny faritra Réunion. Efatr’andro taty aorian’ny nigadonan’ny delegasiona avy ao La Réunion teto Madagasikara dia nitafa sy nidinika tamin’ny ministra malagasy izy ireo. Nomen-dànja nandritra izany fihaonana izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny roa tonta.
Nisy araka izany ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ireo tompon’andraikitra roa ireo. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ireo faritra hitsinjaram-pahefana, izay ahitana an’i Boeny, Anôsy ary Androy izany fiaraha-miasa izany. Tapaka ary fa homen-danja sy hatsaraina manokana ny sehatry ny ekonomia, ny varotra, ny kolotsaina ary ireo sehatra hafa ahitana tombotsoa iombonana eo amin’ny roa tonta.
Ao anatin’ny fanatratrarana izany tanjona izany dia ho apetraka ny komity iombonana izay hivondronan’ny firenena roa tonta. Ho soniavina tsy ho ela ny fametrahana izany komity izany. Nasain’ny ministra malagasy hanatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahana ny 25 aogositra 2023 sy amin’ny fivorian’ny « hauts fonctionnaires du Forum des États archipélagiques et insulaires (Forum AIS) » izay ho atao eto Madagasikara ny faran’ny vola aogositra ihany koa ity lehiben’ny faritra Réunion ity.

Lire la suite

Articles Similaires