Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra : Ho fampiroboroboana ny toekaren’ny Faritra
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra. Ny faritra Tolagnaro indray no nandray ity fankalazana andiany faha enina ity ary haharitra telo andro izany.
Ho fantsarana ny toekaren’ny faritra
Manana anjara-toerana manokana amin’ny fanatanterahana ity hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra ity ny ministeran’ny Raharam-bahiny. Io ministera io tokoa moa no mandrindra ny fifanakalozana rehetra ataon’ny Madagasikara amin’ny firenena any ivelany. Tafiditra ao anatin’izany fifanankalozana izany tokoa ny sehatry ny toekarena, izay teboka lehibe iray antoky ny fandrosoan’ny firenena iray.
Omen-danja mandritra ireo telo andro ireo ary n diplomasia mitodika amin’ny toekarena. Ao anatin’ny fanatanterahana izany dia hampifandray ny mpiara-miombon’antoka sy ireo mpisehatra ara-toekarena ny ministera. « Tanjona amin’izao ny mba hisian’ny fivoarana any amin’ny faritra sy hanamorana ny fivelaran’izy ireo amin’ny sehatra iraisam-pirenenana amin’ny lafiny toekarena », hoy ny ministra Yvette Sylla.
Noho izany, aorian’izao hetsika izao dia andrasana ny hivelaran’ireo mpisehatra bebe kokoa ao anatin’ny toekarena iraisam-pirenenana sy ny toekarena anatiny. Ankoatra izay dia hatsaraina ihany koa ny fifandraisan’ireo faritra amin’ireo mpisehatra afaka miara-miasa amin’izy ireo. Zava-dehibe ihany koa ny fahafantaran’izy ireo ny fandehan’ny tsena na iraisam-pirenena sy ny tsena anatiny.
Tsy misy ho adino ny faritra rehetra
Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny ankalazana ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra tany Taolagnaro ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla omaly. Mbola nitohy androany, ary tsy hifarana raha tsy rahampitso sabotsy 17 Jona ity hetsika ity.
Tonga nanotrona ny fotoana ihany koa ny ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, ny ministry ny Fambolena sy ny fiompiana, ny ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny governoran’ny faritra Anosy ary ireo Masoivoho sy ireo Mpiara-miombon’antoka.
Tanjona amin’ity hetsika ity ny hampiroboroboana ny toekarena eny anivony faritra. Na dia i Taolagnaro aza no nandray ny fankalazana tamin’ity andiany faha enina ity, dia fantatra kosa fa voakasiky ny hetsika izay tanterahana avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Tsy misy ho adinoana araka izany ny faritra rehetra.