Flash Actu
Vendredi, 28 Novembre 2025
Voir Plus
Les derniers articles
13 000 lémuriens consommés par an à Madagascar : une enquête dévoile l’ampleur du phénomène
Les Partenaires
"Antso farany ho an'izao tontolo izao » : Boky nosoratan’i Rabemanantsoa Rintsamahefa ary natolotra ny Tranombokim-pirenena androany, Zoma 28 novambra 2025. Boky manazava ara-tsiantifika sy ara-tsoratra Masina ny zava-misy maneran-tany ankehitriny.
Nidina tany amin'ny Faritra Atsimo Andrefana, omaly, ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Ity no fitsidihana voalohany nataon'ny Filoham-panjakana tany amin’ny Faritra.
Tanterahina any Sainte Marie, manomboka androany 28 novambra hatramin’ny 30 novambra 2025, ny andiany faha-3 amin’ny Festival des Pirates.
Niampy 2 indray ny karazana apemba (sorgho) azo vokarina eto Madagasikara, dia ny “Mina” sy “Manana”, izay voka-pikarohan’ny FOFIFA. Mahatanty tsara ny hain-tany ary mahatratra hatramin’ny 3.5 t/ ha ny vokatra azo avy aminy.
Hanatanteraka « Rodorodon’ny fanambaram-pananana », eny anivon'ny BIANCO, ireo tomponandraiki-panjakana any Mahajanga, androany. Isan’ny voakasik’izany ny prefe, ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny tanàna…
Misokatra ho amin’ny fanondranana lavanila ny seranan-tsambon’ny Vohémar, Nosy Be, Antsiranana ary Mahajanga. Tsy maintsy hatao « contre-visites » kosa anefa ireo vokatra rehetra.
Manatanteraka fihaonambe eny amin’ny Tranombokin’ny minisiteran’ny Fitsarana ireo Lehiben’ny Fampanoavana manerana an’i Madagasikara, nanomboka omaly 27 mitohy androany 28 novambra 2025.
Faritra Atsinanana : Nanatanteraka diabe namakivaky ny tanàna, niaraka tamin’ireo vondron'olona samihafa, ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina, ho fanomboana ny 16 andro iadiana amin'ny herisetra.
Misy fitiliana ny bibin'aretina mitondra ny aretina ongobe sy bongabe, tanterahina any Toamasina, izay hanaovana tombana ny fahombiazan'ireo hetsika fizarana fanafody faobe natao tany aloha.
Hotanterahina ao Ambositra ny 13 sy 14 desambra izao, ny fankalazana hanamarihana ny 20 taona niorenan’ny Office National de la Nutrition (ONN) sy ny Journée Internationale de la Nutrition.
Ao amin'ny Fitsarana Tampony Anosy, Antananarivo, no hanatanterahana ny fankalazana nasiônaly ny faha-77 taona nanambarana ny Zon’olombelona, amin’ny ny 10 desambra 2025.
Du 4 au 30 novembre 2025, les sage-femmes communautaires de la région Analamanga bénéficient d’un renforcement de capacités sur la prévention, le dépistage et la prise en charge du VIH conformément au module du ministère de la Santé Publique.
Hisy ny ezaka handikana amin'ny teny malagasy ny taratasim-pifandraisan'ny fanjakana amin'ireo mpila raharaham-panjakana rehetra, raha ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra, omaly.
Voatendry ho Talen'ny Birao misahana ny Fitarainana eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, i Kolonely Rakotomamonjy Simon Patrick (Colonel Patrick)
Voatendry ho Tale Jeneralin'ny Masoivoho momba ny Famerenana ny Fananana azo tamin ny Fomba tsy ara-dalana na Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites (ARAI) i Rajhonson Andrianjatovo Rado Anjaranirina.
Minisiteran’ny Fitsarana : Ho ampiasaina ny famatsiam-bola PIP 2025 mitentina 54 604 863, 60 Ariary, hamatsiana herinaratra ny fonja eny Avaradrano, amin'ny alalan'ny JIRAMA
Enseignement supérieur : Accords entre l’Université de l’Itasy et l’Université d’Akita pour renforcer les échanges académiques, la recherche géologique, l’innovation minière et la coopération durable, avec projets scientifiques à long terme.
Hikatona ny 1 desambra 2025 hatramin’ny 28 febroary 2026 ny fanjonoana makamba, manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara manontolo, na ho an’ireo mpanjono vaventy, na ho an’ireo mpanjono madinika. Hiverina hisokatra izany ny 1 martsa 2025.
Fanabeazam-pirenena : Hamolavola teti-pivoarana ho an'ny fanabeazana, na "Plan Sectoriel de l'Education", mandritra ny taona 2026, ary hampiharina mandritra ny fe-potoana 2026-2030 izany.
Otrikaretina mora mifindra fahita eo amin’ny ankizy ny bonibony na « rubéole ». Amin’ny ankapobeny dia tsy dia atahorana loatra na hoe « bénigne » izy io. Mety hitera-doza kosa nefa ity aretina ity raha mahavoa ny bevohoka noho izy mety mitarika fahasarotana eo amin’ny zaza ao am-bohoka. Araho ary ireo tsara fantatra mikasika ny aretina bonibony na « rubéole ».
« Infection » iray isan’ny mampijaly tokoa ny « mycose ». Mangidihidy, manorisory ary indraindray miverimberina izy io. Rehefa andro mafana toy izao moa no tena miparitaka ny « champignons » mahatonga azy io. Ahoana ary ny fomba atao hisorohana ny « mycose » mandritra ny andro mafana ?
Toe-javatra mety mitranga ny hoe lasa farim-peo na tsy dia mahatafavoaka feo tsara rehefa voan’ny sery. Raha terena hamoaka feo ny « cordes vocales » dia mety vao maika lasa tanteraka sy tsy mivoaka intsony ny feo. Ireto ary misy torohevitra vitsy manampy raha tsy mahatafavoaka feo intsony vokatry ny sery na areti-tenda.
Mety mitranga tokoa ny hoe tsy mahazaka « lactose » ny zazakely. Ny « lactose » dia siramamy anatin’ny ronono ka ahitana azy io anatin’ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono. Ilain’ny zaza amin’ny fitomboany nefa ny « lactose » satria ity farany no mitondra ny « calcium » ao amin’ny vatana. Inona ary ny sakafo tsara omena ny zaza tsy mahazaka « lactose » ary inona mila fadiany ?
Nahandro matsiro sady manitra tsara ny akoho miaro voanio na « poulet au coco ». Hoanina miaraka amin’ny vary na hoe atao laoka no tena tsara hinanana azy ity. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana akoho miaro voanio.
Isan’ny zavatra mahasorena sy manelingelina rehefa fahavaratra toy izao ny fidiran’ny lalitra ao an-trano. Saika misy azy avokoa ny efitrano rehetra, na ny ao an-dakozia, efitrano fisakafoanana, efatra fatoriana… Ho an’ireo tsy tia mampiasa vokatra famonoana sy fandroahana lalitra ao an-trano misy akora simika dia atoro eto ireo torohevitra natoraly mandaitra azo atao.
Maro amintsika no mihevitra fa ny zazakely ihany no mety tratry ny « bronchiolite ». Marihana nefa fa tena misy tokoa ny « bronchiolite » mahavoa ny olon-dehibe. Mazava ho azy fa tsy mitovy tanteraka amin’ny « bronchiolite » eo amin’ny zaza izy io. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « bronchiolite » eo amin’ny olon-dehibe.
Anisan’ny « entrée » mampitsiriritra ny « terrine » rehefa misy lanonana. Azo amboarina tsara ao an-trano io sakafo io, sady tsy voatery asiana trondro.
Tsy vitsy ireo fianakaviana maheno fofona hafahafa ao an-trano, indrindra amin'izao fahavaratra izao. Toa madio tsara ihany ao an-trano nefa misy fofona tsy mahatamana na manepotra mihitsy.
Voasoratra amin'ny lisitry ny Harembako-pirenena eto Madagasikara ny Vatobe eny Ambatomanga, manomboka androany alakamisy 20 novambra 2025
Ny vitamina E dia « antioxydant » mahery izay miasa amin’ny fiarovana ny sela, fanatsarana ny fahasalaman’ny hoditra sy ny volo, fanohanana ny hery fiarovana ary fikoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Maro arak’izany ny vokatsoa ara-pahasalamana sy ara-batana azo avy amin’ny vitamina E. Araho eto ny santionany amin’izany.
Maro ny azo ampiasana ny « gaz » ao an-tokantrano : fatana, « chauffage », « chauffe-eau »… Mila fitandremana tsara nefa ny fampiasana azy io satria ny « fuite de gaz », na dia tsy hita maso aza, dia mety hitera-doza sy mahafaty mihintsy. Zava-dehibe ny fahatantarana ireo « risques » mety ateraky ny « fuites de gaz » mba hahafahana mifehy izany malaky sy hisorohana ny loza.
Isan’ny zavatra manahirana amin’ny fikarakarana ny volo ny fahatsapana azy enjana sy mahery. Efa misy moa ireo vokatra na « produits » mampalefaka volo hita eny amin’ireo mpivarotra « cosmétiques ». Matetika nefa dia misy akora simika izy ireny ka mety hanimba volo rehefa any aoriana. Ireto manaraka ireto ary misy karazana vokatra vita amin’ny akora natoraly mampalefaka volo ary azo amboarina ao an-trano.
Maro ireo karazana aretina mpahazo ny zaza sy ny ankizy na ny atao hoe « maladies infantiles », ka anisan’izany ny tsitongandronono na « otite ». Miseho amin’ny fanaintainan’ny sofina sy ny fisiana nana mivoaka eo amin’ity farany izany. ‘Ndeha ho fantarina ny atao hoe tsitongandronono, ny fisehony, ny fitsaboana ary ny fisorohana azo atao.
Tsakitsaky ankafizin’ny be sy ny maro ny « nems ». Saika ahitana azy ireny moa eny amin’ny mpivarotra hani-masaka rehetra eny. Hafa ihany nefa ny manamboatra ity nahandro ity ao an-trano. Maro ny fangaro azo hikarakarana azy, miankina amin’ny enti-manana sy ny tsiro tiana. Ny fomba fanaovana « nems au poulet » matsiro indray ary no zaraina eto.
Lasa be ivy, na be rora ny zazakely. Ara-dalàna ve hoe be ivy ny zazakely ? Inona no mahatonga ny zazakely ho lasa be ivy be ? ‘Ndeha ho resahana eto ny tsara fantatra mikasika ny « hypersalivation » na ny famokarana rora betsaka eo amin’ny zazakely.
Mitana anjara asa maro eo amin’ny vatana ny kalsioma : manamafy ny taolana, manatsara ny fiasan’ny fo sy hozatra, manatsara ny fifaneraseran’ireo « nerfs »… Efa tokony voarindran’ny vatana ny tahan’izy io. Raha lasa be loatra ny fatran’ny kalsioma anaty rà dia izay no atao hoe « hypercalcémie ». Inona no antony mety mahatonga ny « hypercalcémie » ? Ahoana ny fisehon’izany sy ny mety ho fiantraikany ?
Miantoka ny fiasan'ny vatana amin'ny ankapobeny ny atidoha. Tsy azo atao tsinontsinona izy io, na dia tsy taza-maso aza. Anisan'ny manimba atidoha ohatra ny tsy fahampian-torimaso sy ny rarintsaina (stress).
Anisan'ny mampitaraina ny vehivavy avy natao "césarienne" rehetra ny fanaintainana mafy rehefa "terena" hitsangana iny. Amin'ny ankapobeny mantsy, 8 ora aorian'ny fandidiana eo ho eo dia tsy maintsy mitsangana ilay reny avy nodidiana. Inona àry no anton'izany ?
Havizanana maharitra, endrika hatsatra, sahirana mifantoka… Ireo fambara matetika tsy dia manaitra ireo dia mety manambara tsy fahampiana « fer » izay « trouble nutritionnel » fahita eo amin’ny ankizy. Mila fandraisana an-tanana aloha ny tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy mba hisorohana ireo mety ho fiantraikany ratsy amin’ny fitomboana ara-tsaina sy ara-batana mety ho atarek’izany.
Moovnaute