• Cours de change
  • 5116.73 AR
  • |
  • $4475.66 AR
Copyright Image : © Allodocteurs
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo teboka vitsy tsara fantatra mikasika ny VIH

01/12/2025 11:42 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny 1 desambra ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny VIH. Ny VIH (Virus de l’Immunodéficience Humaine) dia viriosy manafika ny hery fiarovan’ny vatana, indrindra ireo « lymphocytes ». Raha tsy voatsabo izy io dia mamparefo ny vatana ary mihombo lasa Sida. Ny tsy fahampian’ny fampahafantarana ity aretina ity moa no isan’ny tena mampiparitaka azy sy mahasarotra ny fandraisana an-tanana ireo marary. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo teboka vitsy tsara fantatra mikasika ny VIH.

Ny olona mitondra VIH dia tsy voatery ho voan’ny Sida

Maro tokoa ny mihevitra fa ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH dia lazaina fa voan’ny Sida. Araka ny voalaza teo ambony dia mamparefo ny hery fiarovana ny VIH ka mahatonga ny vatana ho mora andairan’ny aretina. Rehefa tena mihombo ity tsimokaretina ity dia lasa tsy mahavita manohitra otrikaretina intsony ny vatana ka na aretina kely tokony ho mora sitrana aza dia mety hitarika fahasarotana. Rehefa tonga amin’io « stade » io ilay marary no atao hoe voan’ny Sida. Ny Sida izany no hiantsoana ny aretina ateraky ny fihombon’ny VIH.

Mety maharitra 10 taona aty aoriana ny Sida vao mipoitra

Tsy misy soritr’aretina manokana ny fidiran’ny VIH ao amin’ny vatana. Misy amin’ireo olona tratra sasany no mety hanavinavy, harary tenda, reradreraka mandritra ny herinandro vitsy aorian’ny nifindran’ilay tsimokaretina tao aminy. Manafika tsikelikely ny hery fiarovan’ny vatany avy eo io viriosy io. Misy ihany koa nefa ireo marary sasany no tsy misy soritr’aretina mihintsy ao anatin’ny 10 taona nitondrana ny VIH nefa dia tampoka eo dia voamarina fa « séropositif ». Na dia toy ny salama aza izy mandritra io fotoana io dia efa afaka mamindra ny viriosy.

Avo kokoa ny « risques » hahazoana VIH eo amin’ireo olona tratry ny aretina azo avy amin’ny firaisana hafa

Eo amin’ny olona tratry ny areti-mifindra avy amin’ny firaisana ara-nofo, toy ny « herpès », « chlamydias », « gonorrhée » na « syphilis » dia ambony kokoa ny « risques » mety hahazoana ny viriosin’ny VIH. Ireo aretina voalaza ireo tokoa mantsy dia miteraka ratra kely na « lésions » manamora ny fidiran’io tsimokaretina io. Ankoatra izay dia marefo ihany koa ny hery fiarovan’ireo marary ka vao maika mora andairan’ilay aretina.

Ny VIH dia azo fehezina fa ny Sida kosa dia mbola mahafaty

Mbola tsy misy hatreto ny fanafody afaka mitsabo tanteraka ny VIH. Misy ihany kosa ireo fitsaboana miompana amin’ny « antirétroviraux » izay ahafahana mifehy io viriosy io mba hahatonga ireo marary mitondra ny tsimokaretina ho afaka hiaina ara-dalàna. Ireo fanafody ireo ihany koa dia mampihena ny habetsak’ilay viriosy ao amin’ireo « fluides » misy azy ka mampihena ny « risque » hamindrana azy amin’ny hafa. Vao mijanona tsy manohy io fanafody io dia miverina ho azy ao amin’ny rà an’ilay marary ireo viriosy ary miverina mihombo ao amin’ny vatany.

Lire la suite

Articles Similaires