• Cours de change
  • 5003.25 AR
  • |
  • $4507.32 AR
Copyright Image : © 1747156112707.Jpg
Image
Vaovao

Vono olona teny 67ha : Miroso ny fikarohana ireo namono an'i Tricha sy Raissa

13/05/2025 20:16 © Moov

Mihorohoro tanteraka ireo mponina eny 67ha sy ny manodidina, noho ny fahafatesana roa nisesy, dia vono olona samy nahafatesana tovovavikely.

Miroso hatrany ny fanadihadihana lalina mikasika ny famonoana an'i Tricha (17 taona) sy Raissa (8 taona), araka ny nambaran'ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona sy ny Commissaire de Police eo anivon'ny Brigade criminelle Anosy, RATOJONIRINA Manampison. Samy novonoina tamin'ny fomba feno habibiana moa izy roa vavy, samy mponina eny 67ha.

Efa misy voasambotra

Samy efa misy olona voarohirohy voatazona sy hadihadiana amin'ireo raharaha roa ireo. Mikasika ny famonoana an'i Raissa, azo lazaina fa manamora ny asan'ny mpitandro ny filaminana ny nametrahan'ny olon-dratsy taratasy nisy sora-tanana. Noho izany indrindra, hisy olona niakatra fampanoavana rahampitso 14 may. Mbola tsy misy kosa aloha hatreto ny fampandalovana fitsarana ireo voarohirohy tamin'ny nahafatesan'i Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama.
Ampahatsiahivina fa voararan'ny lalana ny fanehoana ampahibemaso na fanononana ny anaran'ireo voarohirohy.

Fifanampiana

Miantso fifanomezan-tanana ireo mpitandro ny filaminana mba hatatrarana ireo nandray anjara mivantana na an-kolaka tamin'ny famonoana an'i Tricha sy Raissa. Entanina araka izany ireo tsara sitrapo manam-baovao mba hanantona ny Brigade Criminelle.
Samy efa natao fizahana na "autopsie" moa na i Tricha na i Raissa. Nanaraka ireo toromariky ny mpitandro ny filaminana ny fianakaviana roa tonta. Hatreto, mihorohoro tanteraka ireo fianakavian'i Raissa satria mbola nandrahona ny "hamono olona roa" ny nahavanon-doza.

Lire la suite

Articles Similaires